The Birth of Samuel

1. Now there was a certain man of Ramathaimzophim, of mount Ephraim, and his name was Elkanah, the son of Jeroham, the son of Elihu, the son of Tohu, the son of Zuph, an Ephrathite:
1. Il y avait un homme de Ramathaïm Tsophim, de la montagne d`Éphraïm, nommé Elkana, fils de Jeroham, fils d`Élihu, fils de Thohu, fils de Tsuph, Éphratien.
1. Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima, any an-tendrombohitr' i Efraima, Elkana no anarany, zanak' i Jerohama, zanak' i Eliho, zanak' i Toho, zanak' i Zofa.
2. And he had two wives; the name of the one was Hannah, and the name of the other Peninnah: and Peninnah had children, but Hannah had no children.
2. "Il avait deux femmes, dont l`une s`appelait Anne, et l`autre Peninna; Peninna avait des enfants, mais Anne n`en avait point."
2. "Ary nampirafy izy, Hana no anaran' ny anankiray, ary Penina no anaran' ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana."
3. And this man went up out of his city yearly to worship and to sacrifice unto the LORD of hosts in Shiloh. And the two sons of Eli, Hophni and Phinehas, the priests of the LORD, were there.
3. Chaque année, cet homme montait de sa ville à Silo, pour se prosterner devant l`Éternel des armées et pour lui offrir des sacrifices. Là se trouvaient les deux fils d`Éli, Hophni et Phinées, sacrificateurs de l`Éternel.
3. Ary niakatra isan-taona izany lehilahy izany hivavaka sy hanao fanatitra ho an' i Jehovah Tompon' ny maro, tao Silo. Ary tao izy roa lahy zanak' i Ely dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron' i Jehovah.
4. And when the time was that Elkanah offered, he gave to Peninnah his wife, and to all her sons and her daughters, portions:
4. Le jour où Elkana offrait son sacrifice, il donnait des portions à Peninna, sa femme, et à tous les fils et à toutes les filles qu`il avait d`elle.
4. Ary tamin' ny fotoana nanoloran' i Elkana fanatitra, dia samy nomeny anjara avy Penina vadiny mbamin' ireo zanany lahy sy ny zanany vavy rehetra.
5. But unto Hannah he gave a worthy portion; for he loved Hannah: but the LORD had shut up her womb.
5. "Mais il donnait à Anne une portion double; car il aimait Anne, que l`Éternel avait rendue stérile."
5. Fa Hana kosa nomeny anjara mendrika satria izy no tiany, nefa nataon' i Jehovah momba.
6. And her adversary also provoked her sore, for to make her fret, because the LORD had shut up her womb.
6. Sa rivale lui prodiguait les mortifications, pour la porter à s`irriter de ce que l`Éternel l`avait rendue stérile.
6. Ary ny rafiny koa dia nampahatezitra azy mafy mba hanorisory azy, noho ny nanaovan' i Jehovah azy momba.
7. And as he did so year by year, when she went up to the house of the LORD, so she provoked her; therefore she wept, and did not eat.
7. Et toutes les années il en était ainsi. Chaque fois qu`Anne montait à la maison de l`Éternel, Peninna la mortifiait de la même manière. Alors elle pleurait et ne mangeait point.
7. Ary izany no fanaon' i Elkana isan-taona raha niakatra ho any an-tranon' i Jehovah i Hana, ary izany koa no nanorisoren' ny rafiny azy, koa nitomany izy, sady tsy nihinan-kanina.
8. Then said Elkanah her husband to her, Hannah, why weepest thou? and why eatest thou not? and why is thy heart grieved? am not I better to thee than ten sons?
8. Elkana, son mari, lui disait: Anne, pourquoi pleures-tu, et ne manges-tu pas? pourquoi ton coeur est-il attristé? Est-ce que je ne vaux pas pour toi mieux que dix fils?
8. Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mihinan-kanina ianao? Ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanakalahy folo va aho?
9. So Hannah rose up after they had eaten in Shiloh, and after they had drunk. Now Eli the priest sat upon a seat by a post of the temple of the LORD.
9. Anne se leva, après que l`on eut mangé et bu à Silo. Le sacrificateur Éli était assis sur un siège, près de l`un des poteaux du temple de l`Éternel.
9. Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy ireo, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin' ny sezany teo anilan' ny tolàm-baravaran' ny tempolin' i Jehovah.
10. And she was in bitterness of soul, and prayed unto the LORD, and wept sore.
10. Et, l`amertume dans l`âme, elle pria l`Éternel et versa des pleurs.
10. Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra ka nivavaka tamin' i Jehovah sady nitomany dia nitomany.
11. And she vowed a vow, and said, O LORD of hosts, if thou wilt indeed look on the affliction of thine handmaid, and remember me, and not forget thine handmaid, but wilt give unto thine handmaid a man child, then I will give him unto the LORD all the days of his life, and there shall no razor come upon his head.
11. Elle fit un voeu, en disant: Éternel des armées! si tu daignes regarder l`affliction de ta servante, si tu te souviens de moi et n`oublies point ta servante, et si tu donnes à ta servante un enfant mâle, je le consacrerai à l`Éternel pour tous les jours de sa vie, et le rasoir ne passera point sur sa tête.
11. Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon' ny maro ô, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon' ny ankizivavinao Ianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an' i Jehovah kosa izy amin' ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.
12. And it came to pass, as she continued praying before the LORD, that Eli marked her mouth.
12. Comme elle restait longtemps en prière devant l`Éternel, Éli observa sa bouche.
12. Ary izao no niseho, raha mbola nitohy nivavaka teo anatrehan' i Jehovah izy, dia nodinihin' i Ely ny vavany.
13. Now Hannah, she spake in her heart; only her lips moved, but her voice was not heard: therefore Eli thought she had been drunken.
13. Anne parlait dans son coeur, et ne faisait que remuer les lèvres, mais on n`entendait point sa voix. Éli pensa qu`elle était ivre,
13. "Fa niteny anakampo i Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia noheverin' i Ely fa mamo izy."
14. And Eli said unto her, How long wilt thou be drunken? put away thy wine from thee.
14. et il lui dit: Jusques à quand seras-tu dans l`ivresse? Fais passer ton vin.
14. Dia hoy Ely taminy: Mandra-pahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao.
15. And Hannah answered and said, No, my lord, I am a woman of a sorrowful spirit: I have drunk neither wine nor strong drink, but have poured out my soul before the LORD.
15. "Anne répondit: Non, mon seigneur, je suis une femme qui souffre en son coeur, et je n`ai bu ni vin ni boisson enivrante; mais je répandais mon âme devant l`Éternel."
15. "Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay, na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan' i Jehovah aho."
16. Count not thine handmaid for a daughter of Belial: for out of the abundance of my complaint and grief have I spoken hitherto.
16. Ne prends pas ta servante pour une femme pervertie, car c`est l`excès de ma douleur et de mon chagrin qui m`a fait parler jusqu`à présent.
16. "Aza mba atao ho zanak' i Beliala ny ankizivavinao; fa ny haben' ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny."
17. Then Eli answered and said, Go in peace: and the God of Israel grant thee thy petition that thou hast asked of him.
17. Éli reprit la parole, et dit: Va en paix, et que le Dieu d`Israël exauce la prière que tu lui as adressée!
17. "Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen' Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy."
18. And she said, Let thine handmaid find grace in thy sight. So the woman went her way, and did eat, and her countenance was no more sad.
18. Elle dit: Que ta servante trouve grâce à tes yeux! Et cette femme s`en alla. Elle mangea, et son visage ne fut plus le même.
18. Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony.
19. And they rose up in the morning early, and worshipped before the LORD, and returned, and came to their house to Ramah: and Elkanah knew Hannah his wife; and the LORD remembered her.
19. Ils se levèrent de bon matin, et après s`être prosternés devant l`Éternel, ils s`en retournèrent et revinrent dans leur maison à Rama. Elkana connut Anne, sa femme, et l`Éternel se souvint d`elle.
19. "Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan' i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an' i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy."
20. Wherefore it came to pass, when the time was come about after Hannah had conceived, that she bare a son, and called his name Samuel, saying, Because I have asked him of the LORD.
20. Dans le cours de l`année, Anne devint enceinte, et elle enfanta un fils, qu`elle nomma Samuel, car, dit-elle, je l`ai demandé à l`Éternel.
20. Koa izao no niseho, tamin' ny fahatanterahan' ny fotoana dia nanana anaka i Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe: Samoela, fa hoy izy: tamin' i Jehovah no nangatahako azy.

Hannah Dedicaates Samuel

21. And the man Elkanah, and all his house, went up to offer unto the LORD the yearly sacrifice, and his vow.
21. Son mari Elkana monta ensuite avec toute sa maison, pour offrir à l`Éternel le sacrifice annuel, et pour accomplir son voeu.
21. Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra, niakatra mba hanolotra ho an' i Jehovah ny fanatitra isan-taona sy ny voadiny.
22. But Hannah went not up; for she said unto her husband, I will not go up until the child be weaned, and then I will bring him, that he may appear before the LORD, and there abide for ever.
22. Mais Anne ne monta point, et elle dit à son mari: Lorsque l`enfant sera sevré, je le mènerai, afin qu`il soit présenté devant l`Éternel et qu`il reste là pour toujours.
22. "Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin' ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin' izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan' i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy."
23. And Elkanah her husband said unto her, Do what seemeth thee good; tarry until thou have weaned him; only the LORD establish his word. So the woman abode, and gave her son suck until she weaned him.
23. Elkana, son mari, lui dit: Fais ce qui te semblera bon, attends de l`avoir sevré. Veuille seulement l`Éternel accomplir sa parole! Et la femme resta et allaita son fils, jusqu`à ce qu`elle le sevrât.
23. "Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy àry izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hoefain' i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy."
24. And when she had weaned him, she took him up with her, with three bullocks, and one ephah of flour, and a bottle of wine, and brought him unto the house of the LORD in Shiloh: and the child was young.
24. Quand elle l`eut sevré, elle le fit monter avec elle, et prit trois taureaux, un épha de farine, et une outre de vin. Elle le mena dans la maison de l`Éternel à Silo: l`enfant était encore tout jeune.
24. "Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin' ny vantotr' ombilahy telo sy koba iray efaha ary divay iray tavoara, ka nentiny ho ao an-tranon' i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza."
25. And they slew a bullock, and brought the child to Eli.
25. Ils égorgèrent les taureaux, et ils conduisirent l`enfant à Éli.
25. Dia novonoiny ny vantotr' ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin' i Ely ny zaza.
26. And she said, Oh my lord, as thy soul liveth, my lord, I am the woman that stood by thee here, praying unto the LORD.
26. Anne dit: Mon seigneur, pardon! aussi vrai que ton âme vit, mon seigneur, je suis cette femme qui me tenais ici près de toi pour prier l`Éternel.
26. Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin' i Jehovah.
27. For this child I prayed; and the LORD hath given me my petition which I asked of him:
27. C`était pour cet enfant que je priais, et l`Éternel a exaucé la prière que je lui adressais.
27. "Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen' i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy."
28. Therefore also I have lent him to the LORD; as long as he liveth he shall be lent to the LORD. And he worshipped the LORD there.
28. Aussi je veux le prêter à l`Éternel: il sera toute sa vie prêté à l`Éternel. Et ils se prosternèrent là devant l`Éternel.
28. "Koa atolotro ho an' i Jehovah kosa izy; eny, amin' ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an' i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin' i Jehovah tao izy."
<
>